Ilay fitiavako anao

 

Sarotra amiko ny hangina,

Fa manosika ahy ny foko

Fa feno loatra tsy hay laniana

‘lay fitia toa tsara loko.

Koa indro atolotro anao

Fitia madio sy manonja,

Omeko manontolo ho anao

Fitia mivolo-diamondra.

F’iray tsy manan-tsahala

‘zany hatsaran’ilay fitiavako,

Ho anao irery ry malala

Vady tiako sy fiainako.

Tsy mba fitia misalasala

Ka hamela anao ho irery,

Fa ho feno hatrany hafanana

Ravaha-tsiokam-borokely.

Fa toy ny raozy vao misokatra

Mamerovero an-jaridaina,

Ho toy ‘lay masoandro vao miposaka

Amin’ny andro vao maraina

Raha mbola velona ny aiko

Raha mbola tany koa ny tany,

Na ho osa aho na hijaiko

Ilay fitia hitombo hatrany.

Ny fitiavako anao ry Johary

Dia lalim-paka tsy hay bikaina,

Satria ‘lay Andriananahary

No nametraka azy ho AINA.

 

 

 

MIVERINA